Grande Loge de Madagascar

Tsy mifaninana amin’ny fivavahana ary tsy fiangonana ny Franc-Maçonnerie

Mandala ny fahamarinana ny rariny ary mampihatra izany ny Francs-maçons ka izay no antony handraisan’izy ireo ny Baiboly

Betsaka ny resaka mandeha mahakasika ny Franc-Maçonnerie eto amintsika. Nambaran’ny mpikambana iray izay biresaka taminay, fa « tsy mifaninana amin’ny fivavahana ary tsy Fiangonana ny Franc-Maçonnerie. Tsy misahana ny mety ho famonjem-panahy ho an ‘ny mpikambana ao aminy izy. Tsy nampakatra any an- danitra ny asa tao amin’ny Franc-Maçonnerie na mandefa any amin’ny afobe koa, tsy andraikiny izany ; fa mikasika kosa izy ny fibeazana sy ny fahatomombanana ara-panahin’ny mpikambana ao aminy. Manaitra azy ireo ny hanome sy hizara izay tsara ao aminy hanampiana ny mpiara-belona sy hampandroso ny fiaraha-monina ». Hoy ity olona iray izay mbola tsy nanaiky nitonona anarana alouha, fa aoriana izy hiseho mivantana ihany.

Asa no soatoavina

Araka ny fanazavana, dia James Andersonn mpitandrina presbyteriana no isan’ny mpanorina fototra ary nanoratra ny fototra sy ny fitsipika ny Franc-Maçonnerie. Nianatra teolojia nandritra ny 4 taona ary mpitanrina tany Ecosse tamin’ny taona 1707. Niasa tany Londres izy ny taona 1734 ary niasa tao mandra-pahafatiny ny 28 may 1939. Izany no antony hanaovan’ny Francs-Maçons fanekena manoloana ny Baiboly mivelatra ao amin’ny latabatry ny fanekena. Nambarany, fa ny « Asa » no soatoavina lehibe ifotoran’izy ireo, araka izany dia tokony ho mendrika sy mifanandrify amin’ny asa atao ny tambin-karama azo. Izay olona tsy mazoto miasa dia tsy mendrika ary tsy tokony ho Franc-Maçon, satria ny asa no hafahan’izy ireo manampy ny mpiara-belona.

Olobe eto amintsika

Efa fantatra ela no nisian’ny mpikambana Franc-Maçons teto amintsika. Ara-tantara, i Cameron, mpanorina ny Rovan’i Manjakamiadana dia mpikambana ao. Itompokolahy Callixte Razafy, izay nalaza tamin’ny fanaovana asasoa teny amin’ny faritr’Imerimanjaka Ambohijanaka, dia Franc-maçon. Dokotera Charles Ranaivo, izay kristianina tao Ambohitantely, dia anisan’ny nilaza fa « Franc-maçon » malagasy voalohany. Teo ihany koa Ralaimongo sy ny maro hafa. Nambaran’ity olona niresaka taminay ity, fa antony tsy nisian’ny rà mandriaka sy ny adim-poko teto tamin’ny 2002 ny naha franc-maçons ireo lehiben’ny tafika sy ny mpomba azy ireo, izay tsy nanaiky hatramin’ny fifanandrinana tamin’ny samy Malagasy. Midika izany fa tsy lian-drà ny franc-maçons hoy izy.